<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>823</hymn_number>
<title>Hoderaina tokoa FFPM823</title>
<lyrics>[V1]
 Hoderaina tokoa
 Hianao, ô ry Ray
 Noho ny teny soa,
 Izay nomenao anay

[C1]
   Teninao ny Baiboly
   Andriamanitra Ô!
   Teny fiainana
   Ho an'izao tontolo izao.

[V2]
 Fa ny Teny nomenao,
 Tompo ô, Ray Tsitoha,
 Manadio, manavao,
 Mampahery ny fo!
 Teninao sns...

[V3]
 Mitsangàna hanompo
 O! ry mino izao,
 Ka ny tenin'ny Tompo
 No torio, ambarao.
 Teninao sns...

[V4]
 Dia tariho lalandava
 Mba hiely, ry Ray,
 Teny soa hanazava
 Ity firenenay!
 Teninao sns...</lyrics>
</song>